Varatra
Avy amin'i Wikipedia
Ny varatra dia ny feo vokatry ny fipoakan'ny rivotra mifandona amin'ny tselatra ka mahatonga ny rivotra hitondra elektrona (plasma no iantsoina ilay rivotra na etona misy elektrona). Mitovy ny fotoana ipoahan'ny varatra sy isehoan'ny tselatra saingy noho ny tsy fitovian'ny hafainganany (speed) dia ny tselatra aloha no hita voalohany avy eo ny varatra no heno. Raha tena akaikin'ny tselatra no misy olona mijery dia miara-mipoitra ny tselatra sy ny varatra.
Noho ny fampiasa azy matetika dia nafangaro ny dikan'ny tselatra sy ny varatra.