Vanila
Avy amin'i Wikipedia
Ny vanila dia zavamaniry karazana orkide. Ny teny hoe vanila dia avy amin'ny fiteny espanola hoe vainilla.
Votoatiny |
[Ovay] Ny fitombon'ny vanila
Ny karazana vanila fiotiana dia ny vanila planifolia. Avy tany Mekisiko no nihaviana kanefa dia hita manerana toerana mafana rehetra (tropika). Madagasikara no toerana voalohany iraisam-pirenena mpamokatra azy.
Ny vanila dia zavamaniry mandady amin'ny hazo lehibe. Rehefa avela elaela dia mirongatra ho azy. Ny tena antsoina hoe vanila dia ilay voany izay manitra vokatry ny fahamasahan'ny voninkazo. Ny voany dia aparitaky ny bibikely toy ny tantely na ny olombelona.
Ny voankazo vanila dia ilay voany toy ny tsaramaso maintso. Ny voniny dia miloko mainty ohatran'ny vovoka ary io no tena manitra sy miparitaka raha avela tsy hotiana. Ny voniny dia tsy maniry anaty tany fa toa ny holatra.
[Ovay] Ny tantarany
Top Vanilla Producers - 2005 (million metric ton) |
|
---|---|
Madagasikara | 3.0 |
India | 2.4 |
Sina | 1.0 |
Mekisika | 0.2 |
Torokia | 0.2 |
Komoro | 0.1 |
World Total | 7.3 |
Source: UN Food & Agriculture Organization (FAO)[1] |
Ny espanola no nitondra ny vanila avy any Mekisiko tamin'ny fotoanan'ny fitetezana tan'ny Amerika. Ny orinasa coca-cola no tena mpividy azy hatramin'ny taona 1985. Nanomboka tamin'ny 1985 dia nampiasa vanillin (mitovy tsiro amin'ny vanila kanefa dia vita simika) ny orinasa coca-cola ka tsy nila vanila intsony ka nahatonga ny fidarabokan'ny ekonomian'ny Madagasikara. Lasa $20USD ny vidin'iray kilao tamin'izany fotoana izany. Lasa $500USD izy tamin'ny 2004. Nidina indray izany tamin'ny 2005.