Madagasikara
Avy amin'i Wikipedia
|
|||
Devise nationale : «Firenena, Fahafahana, Fahamarinana» | |||
Teny | Malagasy, Frantsay | ||
Renivohitra | Antananarivo | ||
Praiminisitra | Jacques Sylla | ||
Filoham-pirenena | Marc Ravalomanana | ||
Velarantany - Manontolo - % rano |
Classé 45e 587 040 km² 0.94% |
||
Mponina - Manontolo (2003) - Densité |
Classé 58e 16 979 744 mponina 28,92 mpo/km² |
||
Anarana | Malagasy | ||
Fahaleovantena | 26 juin 1960 | ||
Sandam-bola | Ariary | ||
Faritra ora | UTC +3 | ||
Hiram-pirenena | Ry Tanindraza nay malala ô | ||
Faritra Internet | .MG | ||
Antso an-tariby | 261 |
Madagasikara (anarana ofisialy Repoblika Malagasy) dia tany (fitambarana nosy) eo amin'ny Ranomasimbe Indiana, atsinanan'i Afrika.
Teny Malagasy (manana fiaviana austroneziana, afrikana, ary arabo)no teny ofisialy sady azon'ny Malagasy rehetra. Ny teny frantsay no fiteny europeana miparitaka indrindra, ampiasaina, miaraka amin'ny teny Malagasy, amin'ny asa sy varotra ary media (TV sy radio).
Miavaka ny firenena Malagasy satria sady miray no maro karazana, sady afrikana no aziatika nefa miray satria manana teny iray sady iraisana, manana tany tsy mivaky ary fomba fiainana maro itoviana.
Na dia be harena azo trandrahana aza anefa i Madagasikara, dia ambany ny fari-piainan'ny vahoaka.
Saritanin'i Madagasikara (fototra nahitana CIA World Factbook)
Votoatiny |
[Ovay] Tantara
Lahatsoratra antsipirihany : Tantaran'i Madagasikara
[Ovay] Politika
Lahatsoratra antsipirihany : Politika ao Madagasikara
[Ovay] Faritany
Lahatsoratra antsipirihany : Faritanin'i Madagasikara
[Ovay] Jeografia
Lahatsoratra antsipirihany : Jeografian'i Madagasikara
Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga, Morondava, Toamasina, ...
[Ovay] Ekonomia
Lahatsoratra antsipirihany : Ekonomian'i Madagasikara
[Ovay] Demografia
Lahatsoratra antsipirihany : Demografian'i Madagasikara
[Ovay] Hai-kanto
Lahatsoratra antsipirihany : Hai-kanton'i Madagasikara
[Ovay] Fety sy andro tsy fiasana
Daty | Anarana | Fanamarihana | |
---|---|---|---|
1 Janoary | Taom-baovao | Tsy fiasana ny andro voalohan'ny taona. | |
Paska | Paska | Ny andron'ny Paska dia ny Alahady manaraka ny fenomanana voalohan'ny Fararano. Izany hoe ny alahady aorian' ny fenomanana voalohany aorian' ny ekinoksan' ny andro 21 martsa. | |
Alatsinain'ny Paska | Alatsinainy manaraka ny Paska. | ||
29 Martsa | Fahatsiarovana ny martioran'ny tolona tamin'ny 1947 | Fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny aina tamin'ny tolom-panafahana izay nanomboka 27 Martsa 1947 ary naringan'ny tafika mpanjanaka Frantsay : "90.000 no isan' ny olon-tsotra maty" hoy ny jeneraly Garbay kaomandin' ny tafika frantsay tamin'izany fotoana izany. | |
1 May | Fetin'ny asa | Andro fankalazana ahitana hetsika Sindikaly sy Politika. | |
25 May | Andron'i Afrika | Tany am-piandohana, dia fety fankalazana ny niforonan'ny Firaisamben'ny Firenena Afrikana OUA tamin'ny 25 May 1963 izy io. Nanomboka tamin'ny 9 Jolay 2002 dia nosoloin'ny Fivondronam-pirenena Afrikana (UA) ny OUA. | |
Andro niakarana | Alakamisy 40 andro aorian'ny Paska | Niakatra hamonjy ny Rainy any an-danitra i Jesoa Kristy. | |
Pentekosta | Pentekosta | Alahady fahafito aorian' ny Paska | |
Alatsinain'ny Pentekosta | Alatsinainy manaraka ny Alahady fahafito aorian'ny Paska | Nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny mpianatry ny Tompo | |
26 Jona | Fetim-pirenena | Fankalazana ny fahaleovantena Malagasy izay nosoniavina ny 26 Jona 1960. | |
15 Aogositra | Asompsiona | Nakarina velona any an-danitra i Maria Virijiny | |
1 Novambra | Fetin'ny olo-masina | Fetin'ny olo-masina rehetra. | |
25 Desambra | Noely | Nahaterahan'ny Jesoa zaza. |
[Ovay] Samihafa
Lahatsoratra antsipirihany : Samihafa
[Ovay] Vangio koa
[Ovay] Rohy ivelany
[Ovay] Madagasikara an'isa
Lahatsoratra antsipirihany : Madagasikara an'isa